Genesis 30:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitombo harena aoka izany Ralehilahy ka nanana ondry aman’osy betsaka ary mpanompovavy sy mpanompolahy ary rameva sy boriky.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman’ampondra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nitombo harena fatratra i Jakôba ka nanana andian’ondry aman’osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka.
Malagasy Bible 1865
Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitombo harena aoka izany Ralehilahy ka nanana ondry aman’osy betsaka ary mpanompovavy sy mpanompolahy ary rameva sy boriky.
malagasy
Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.