Genesis 30:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Rahely: Andriamanitra nanome rariny ahy sady nihaino ny feoko ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Rasela: «Nomen’Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho.» Izany no nanaovany ny anarany hoe i Dana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Rahely hoe: –Andriamanitra efa nanome rariny ahy ka nihaino ny fangatahako, ary nanome ahy zanakalahy. Dia nataony hoe Dana ny anarany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Rahely: Andriamanitra nanome rariny ahy sady nihaino ny feoko ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
malagasy
Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.