Genesis 31:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ren’i Jakoba ny resaky ny zanakalahin’i Labana hoe: Lasan’i Jakoba avokoa izay rehetra ananan’ny raintsika; avy tamin’ny fananan’ny raintsika no nahazoany ireo harena rehetra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’i Jakôba fa ny zanakalahin’i Labàna dia nanao vava hoe: «Lasan’i Jakôba avokoa izay nananan-draintsika; ary avy amin’ny ananan-draintsika no nahazoany izao fananany rehetra izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ren’i Jakôba fa ny zanakalahin’i Labàna efa nilaza hoe: «Lasan’i Jakôba avokoa ny fananan-draintsika, ary avy tamin’izany fananan-draintsika izany no nananany izao harena rehetra izao.»
Malagasy Bible 1865
Ary Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ren’i Jakoba ny resaky ny zanakalahin’i Labana hoe: Lasan’i Jakoba avokoa izay rehetra ananan’ny raintsika; avy tamin’ny fananan’ny raintsika no nahazoany ireo harena rehetra ireo.
malagasy
[Ny nandosiran'i Jakoba avy tany Mesopotamia hody any Kanana] Ary Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.