Genesis 31:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’ny fotoana izay nikambanan’ny ondry aman’osy dia natopiko ny masoko ka hitako tamin’ny nofy fa indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ny ondrivavy sy ny osivavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fotoana nikambanan’ny biby dia hitako tamin’ny nofy fa ny lahy sadìka sy maramara ary sada no nikambana tamin’ny vavy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’ny fotoana izay nikambanan’ny ondry aman’osy dia natopiko ny masoko ka hitako tamin’ny nofy fa indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ny ondrivavy sy ny osivavy.
malagasy