Genesis 31:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho no Andriamanitr’i Betela izay nanosoranao tsangambato sy nanaovanao voady. Miaingà ankehitriny hiala amin’ity tany ity ka miverena any amin’ny tanin’ny razanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho no Andriamanitr’i Betela izay nanosoranao tsangam-bato sy nanaovanao voady. Ary ankehitriny, miaingà ianao, mialà amin’ity tany ity, ka modia any amin’ny tany nahaterahanao.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho no Andriamanitra Izay niseho taminao tao Betela, ka nanosoranao tsangambato sy nivoadianao. Miaingà ankehitriny, ilaozy ity tany ity ka miverena any amin’ny tany misy ny fianakavianao.»
Malagasy Bible 1865
Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho no Andriamanitr’i Betela izay nanosoranao tsangambato sy nanaovanao voady. Miaingà ankehitriny hiala amin’ity tany ity ka miverena any amin’ny tanin’ny razanao.
malagasy
Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.