Genesis 31:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly azy Rahely sy i Lea hoe: Mbola misy anjara lova ho anay va ao an-tranon’ny rainay?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly i Rasela sy i Lià, ka nanao hoe: «Inona intsony moa no anjara sy lova ho anay ao an-tranon-drainay?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly an’i Jakôba i Leà sy i Rahely ka nanao hoe: –Inona intsony moa no anjaranay sy lovanay ato an-tranon’i dada?
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly azy Rahely sy i Lea hoe: Mbola misy anjara lova ho anay va ao an-tranon’ny rainay?
malagasy
Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?