Genesis 31:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha lasa nandeha hanety ny ondry aman’osiny i Labana dia nangalarin’i Rahely ireo terafiman’ny rainy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandeha nanety ny ondry kosa i Labàna, ka nangalarin-dRasela ny Terafiman-drainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Labàna tamin’izay dia lasa nanety ny ondry aman’osiny; ka nangalarin’i Rahely ny sampin-drainy.
Malagasy Bible 1865
Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha lasa nandeha hanety ny ondry aman’osiny i Labana dia nangalarin’i Rahely ireo terafiman’ny rainy;
malagasy
Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.