Genesis 31:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako; nefa Andriamanitry ny rainareo no niteny tamiko alina hoe: Tandremo mba tsy hiteny na inona na inona amin’i Jakoba ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako, saingy niteny tamiko ny Andriamanitry ny rainareo halina, nanao hoe: ‹Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Afaka manisy ratsy anao aho, kanefa Ilay Andriamanitry ny rainao dia nilaza tamiko halina hoe: «Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin’i Jakôba.»
Malagasy Bible 1865
Manankery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako; nefa Andriamanitry ny rainareo no niteny tamiko alina hoe: Tandremo mba tsy hiteny na inona na inona amin’i Jakoba ianao.
malagasy
Manankery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.