Genesis 31:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay hahitanao ireo andriamanitrao indray dia aoka tsy ho velona. Eto anatrehan’ny havantsika, savao izay ato amiko ka ento ny anao. Tsy fantatr’i Jakoba anefa fa Rahely no nangalatra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izay hahatratraranao ny andriamanitrao kosa, dia aoka tsy ho velona! Ka zahao, eto anatrehan’ny rahalahintsika, izay anao ato amiko, dia alao.» Tsy nahalala i Jakôba fa hoe i Rasela no nangalatra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha misy ahatraranao ireo sampinao kosa ny oloko, dia aza velomina. Eto anatrehan’ireo havantsika, dia savao avokoa izay eto amiko, dia ento ny anao. Fa i Jakôba dia tsy nahalala velively hoe i Rahely no nangalatra ny sampy.
Malagasy Bible 1865
Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay hahitanao ireo andriamanitrao indray dia aoka tsy ho velona. Eto anatrehan’ny havantsika, savao izay ato amiko ka ento ny anao. Tsy fantatr’i Jakoba anefa fa Rahely no nangalatra azy.
malagasy
Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.