Genesis 31:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rahely anefa efa naka ny terafima ka nanao azy tao anatin’ny laselin’ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Nikaroka nanerana ny tranolay manontolo i Labana fa tsy nahita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain-dRasela kosa ny terafima dia nataony tao amin’ny laselin’ny rameva, ary nipetrahany teo amboniny. Dia nisava ny tao an-day rehetra i Labàna ka tsy nahita na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Rahely anefa no naka ireo sampy ka nametraka azy tao ambanin’ny laselin’ny rameva dia nipetraka teo amboniny. Ka rehefa nisava ny lay manontolo i Labàna, dia tsy nahita na inona na inona.
Malagasy Bible 1865
Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rahely anefa efa naka ny terafima* ka nanao azy tao anatin’ny laselin’ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Nikaroka nanerana ny tranolay manontolo i Labana fa tsy nahita.
malagasy
Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.