Genesis 31:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Rahely tamin’ny rainy: Azafady, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho satria azon’ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy nefa tsy nahita ny sampy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Rasela tamin-drainy: «Aoka tsy ho tezitra ny tompoko; fa tsy afa-mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ny fombam-behivavy.» Dia nikaroka izy, tsy nahita ny terafima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Rahely tamin’ny rainy: –Azafady eo imasonao, tompoko, fa tsy afa-mitsangana eo anatrehanao aho fa tonga fotoana. Dia nikaroka i Labàna fa tsy nahita ireo sampy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Rahely tamin’ny rainy: Azafady, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho satria azon’ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy nefa tsy nahita ny sampy.
malagasy
Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.