Genesis 31:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Roapolo taona izao no nitoerako tany an-tranonao ka efatra amby folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman’osinao; efa nanova ny karamako impolo ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao: ny efatra ambin’ny folo taona, nanompoako anao, hahazoako azy mirahavavy zanakao; ny enin-taona kosa, hahazoako tamin’ny biby fiompinao; ary ny karamako efa navadikao impolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.
Malagasy Bible 1865
Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman'osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Roapolo taona izao no nitoerako tany an-tranonao ka efatra amby folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman’osinao; efa nanova ny karamako impolo ianao.
malagasy