Genesis 31:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’i Abrahama, ilay natahoran’Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako ka nananatra anao alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy Ilay atahoran’i Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr’i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an’i Itsehàka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.
Malagasy Bible 1865
Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’i Abrahama, ilay natahoran’Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako ka nananatra anao alina.
malagasy