Genesis 31:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly i Labana hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy; ireo zazalahy ireo dia zanako lahy; ireo ondry aman’osy ireo dia ondry aman’osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Koa inona no hataoko anio amin’ireto zanako vavy, na amin’ireto zanany naterany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly i Labàna ka nanao tamin’i Jakôba hoe: «Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy, ireo zaza ireo dia zanako; ireo biby fiompy ireo, dia biby fiompiko, ary izao hitanao rehetra izao, dia ahy avokoa. Ka inona no hataoko anio amin’ireto zanako vavy ireto, amin’izy ireo sy amin’ny zanany naterany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly an’i Jakôba i Labàna hoe: –Ireo zazavavy ireo dia zanako, ny zanak’ireo dia taranako, ny andian’ondry aman’osy dia ondry aman’osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Manomboka anio dia tsy misy na inona na inona azoko atao intsony ho an’ireto zanako vavy ireto na ho an’ireo zanakalahy izay naterany?
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry aman'osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly i Labana hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy; ireo zazalahy ireo dia zanako lahy; ireo ondry aman’osy ireo dia ondry aman’osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Koa inona no hataoko anio amin’ireto zanako vavy, na amin’ireto zanany naterany?
malagasy