Genesis 31:50 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha toa ka mampahory ireo zanako vavy ianao, na manambady ankoatra ireo zanako vavy ireo ary tsy misy olona vavolombelona eto amintsika, dia tandremo fa Andriamanitra no ho vavolombelona amiko sy aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ratsy fitondra ny zanako ianao, na maka vady hafa hirafy amin’ny zanako, tsy misy olombelona hanelanelana antsika; nefa tandremo fa Andriamanitra no ho vavolombelona amiko sy aminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mampijaly ny zanako vavy ianao, na maka vehivavy hafa ho vadinao, dia tandremo fa tsy olona no vavolombelontsika fa Andriamanitra mihitsy.
Malagasy Bible 1865
Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.