Genesis 31:52 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ity antontam-bato ity dia vavolombelona, ary ity tsangambato ity dia vavolombelona, mba tsy hihoatra ity antontam-bato ity hankany aminao aho, ary ianao kosa dia tsy mba hihoatra ity antontam-bato ity sy ity tsangambato ity hankaty amiko hanisy ratsy ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ity fanataovana ity no vavolombelona ary ity tsangam-bato ity no vavolombelona fa izaho tsy hihoatra any aminao, any ambadik’ity fanataovana ity; ianao tsy hihoatra aty amiko, aty ambadik’ity fanataovana ity, sy ity tsangam-bato ity, hanisy ratsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ity antontam-bato ity sy io tsangambato io no vavolombelona amintsika, ka izaho mianiana tsy hihoatra hankany aminao hanisy ratsy anao ary ianao mianiana tsy hihoatra hankaty amiko hanisy ratsy ahy.
Malagasy Bible 1865
dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ity antontam-bato ity dia vavolombelona, ary ity tsangambato ity dia vavolombelona, mba tsy hihoatra ity antontam-bato ity hankany aminao aho, ary ianao kosa dia tsy mba hihoatra ity antontam-bato ity sy ity tsangambato ity hankaty amiko hanisy ratsy ahy.
malagasy