Genesis 31:54 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra i Jakoba ka nanasa ny havany mba hisakafo; dia nisakafo izy ireo ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nianiana tamin’Ilay atahoran’i Isaaka i Jakôba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanolotra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba ka nanasa ireto havany hiara-misakafo aminy. Ary rehefa avy nisakafo ny besinimaro, dia nandry teo an-tendrombohitra tamin’ny alina.
Malagasy Bible 1865
Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra i Jakoba ka nanasa ny havany mba hisakafo; dia nisakafo izy ireo ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.
malagasy
Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,