Genesis 31:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nilaza izy hoe: Ny mara rehetra no ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman’osy rehetra; raha nilaza indray izy hoe: Ny sadika rehetra no ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman’osy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha nataony hoe: Ny ondry mara rehetra no ho karamanao, dia mara daholo ny terak’ondry; ary raha nataony hoe: ny sadika rehetra no ho karamanao, dia sadika avokoa ny terak’ondry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nilaza izy hoe: «Ny biby maramara rehetra no ho karamanao,» dia niteraka maramara avokoa ny ondry aman’osy vavy rehetra. Ary raha hoy indray izy hoe: «Ny sadìka no karamanao,» dia niteraka sadìka avokoa ny ondry aman’osy vavy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman'osy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nilaza izy hoe: Ny mara rehetra no ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman’osy rehetra; raha nilaza indray izy hoe: Ny sadika rehetra no ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman’osy rehetra.
malagasy