Genesis 32:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Jakoba: E! Andriamanitr’i Abrahama raiko sady Andriamanitr’Isaka raiko, dia NY TOMPO izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao dia hanao soa aminao Aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Jakoba: E! Andriamanitr’i Abrahama raiko sady Andriamanitr’Isaka raiko, dia NY TOMPO izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao dia hanao soa aminao Aho!
malagasy
Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho;