Genesis 32:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza tamin’ny famindrampo rehetra sy ny fahamarinana rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao aho; tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity, nefa ankehitriny, efa tonga toby roa aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vonjeo re aho, ho afaka amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tanan’i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin’ny zanany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.
Malagasy Bible 1865
tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza tamin’ny famindrampo rehetra sy ny fahamarinana rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao aho; tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity, nefa ankehitriny, efa tonga toby roa aho.
malagasy