Genesis 32:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Ianao no efa niteny hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho ka hataoko maro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitoetra teo i Jakôba tamin’iny alina iny. Ary nangalany hatao fanomezana ho an’i Esao, rahalahiny, ny harena efa azony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.»
Malagasy Bible 1865
Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Ianao no efa niteny hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho ka hataoko maro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
malagasy
Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.