Genesis 32:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natolony teo an-tanan’ny mpanompony ireny, notsinjarainy isan-toko; sady hoy izy tamin’ny mpanompony: Mandehana eo alohako ary asio elanelany isaky ny toko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no teny nomeny ny voalohany: «Rehefa hifanena aminao i Esao rahalahiko, ka hanontany anao hoe: ‹An’iza ianao, ary ho aiza? Ary an’iza ity andiam-biby fiompy alohanao?›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natolony hiandraiketan’ireo mpanompony ireny, ka nozarainy ho andiany vitsivitsy; dia hoy izy tamin’ireo mpanompony: «Mandehana any alohako ka asio elanelany hatrany isaky ny andiany.»
Malagasy Bible 1865
Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natolony teo an-tanan’ny mpanompony ireny, notsinjarainy isan-toko; sady hoy izy tamin’ny mpanompony: Mandehana eo alohako ary asio elanelany isaky ny toko.
malagasy
Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.