Genesis 32:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary lazao koa hoe: Indro i Jakoba mpanomponao ao aoriananay ao. Fa hoy ny eritreriny: Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaviko ireo ka aorianan’izany vao hahita ny tavany aho; koa angamba hahazo fitia aminy aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin’ny toby ihany, ny alin’iny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady hampianareo hoe: «Indro i Jakôba mpanomponao manaraka ao aorianay ao.» I Jakôba manko dia niteny anakampo hoe: «Hampitoneko amin’ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian’izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.»
Malagasy Bible 1865
Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary lazao koa hoe: Indro i Jakoba mpanomponao ao aoriananay ao. Fa hoy ny eritreriny: Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaviko ireo ka aorianan’izany vao hahita ny tavany aho; koa angamba hahazo fitia aminy aho!
malagasy