Genesis 32:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny, fa izy dia mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’io alina io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy: dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.
Malagasy Bible 1865
Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny, fa izy dia mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’io alina io.
malagasy
Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny.