Genesis 32:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana tamin’iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany lahy iraika amby folo, dia nita tamin’ny fitàna tao Jaboka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalainy ireo nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’iny alina iny ihany no niainga i Jakôba, ka naka ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany iraika ambin’ny folo, dia lasa nita teo amin’ny fitana an’i Jabôka.
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitàna tao Jaboka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana tamin’iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany lahy iraika amby folo, dia nita tamin’ny fitàna tao Jaboka.
malagasy
Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitàna tao Jaboka izy.