Genesis 32:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely satria nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nahery.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanohy ny teniny izy hoe: –Tsy hantsoina hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nandresy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely satria nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nahery.
malagasy
Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.