Genesis 32:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Esao rahalahiny, any Seìra, tanin’i Edoma i Jakoba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nomeny teny ireo nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’ny tompoko, amin’i Esao: ‹Izao no tenin’i Jakôba mpanomponao: Nitoetra tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany, mandrak’ankehitriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Jakôba nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Hesao rahalahiny, any ambanivohitr’i Edôma, any amin’ny tany Sehira.
Malagasy Bible 1865
Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Esao rahalahiny, any Seìra, tanin’i Edoma i Jakoba.
malagasy
[Ny nihaonan'i Jakoba sy Esao] Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma.