Genesis 33:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanopy ny masony i Jakoba ka nahatazana fa indro tamy i Esao, mitondra efajato lahy. Dia notsinjarainy ny zaza ho amin’i Lea sy Rahely ary ho amin’ny mpanompovavy roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary natopin’i Jakôba ny masony, ka indro tamy i Esao omban’olona efajato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho any amin’i Lià sy ho any amin’i Rasela ary ho any amin’ny ankizy vavy roa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nitazana i Jakôba ka nahita an’i Hesao tamy miaraka amin’ny olona efajato lahy. Koa nozarainy tamin’i Leà sy i Rahely ary ny mpanompovavy roa ireo zaza.
Malagasy Bible 1865
Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanopy ny masony i Jakoba ka nahatazana fa indro tamy i Esao, mitondra efajato lahy. Dia notsinjarainy ny zaza ho amin’i Lea sy Rahely ary ho amin’ny mpanompovavy roa.
malagasy
Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa.