Genesis 33:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa i Jakoba taminy: Fantatrao, tompokolahy, fa mbola osa ny zaza sady mbola mampinono ny ondry aman’osy sy ny omby ato amiko; koa raha hoterena handeha mandritra ny indray andro ihany izy ireo dia ho faty avokoa ny ondry aman’osy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny navalin’i Jakôba: «Fantatry ny tompoko, fa ny ankizy mbola malemilemy; sady betsaka ny ondry aman’omby vavy mbola mitaiza entiko koa; raha korodonina indray andro monja ireo, dia ho levona ny biby fiompy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namaly kosa i Jakôba hoe: –Fantatrao, tompokolahy, fa marefo ny zaza, ary ondry aman’omby ampianahany no miaraka amiko; koa raha hododosana indray andro monja ireo biby ireo, dia ho faty avokoa izy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa i Jakoba taminy: Fantatrao, tompokolahy, fa mbola osa ny zaza sady mbola mampinono ny ondry aman’osy sy ny omby ato amiko; koa raha hoterena handeha mandritra ny indray andro ihany izy ireo dia ho faty avokoa ny ondry aman’osy rehetra.
malagasy