Genesis 33:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia novidiny kesita zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema, ny tany izay nanorenany ny tranolainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novidiny vola zato kesità tamin’ny zanak’i Hemora, rain’i Sikema, ny lanin-tany nanorenany lay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novidîny vola zato kesita tamin’ny taranak’i Hamôra, mpanorina ny tanàna Sekema, ny sombin-tany teo amin’ny saha izay nanorenany ny lainy.
Malagasy Bible 1865
Dia novidiny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia novidiny kesita* zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema, ny tany izay nanorenany ny tranolainy.
malagasy
Dia novidiny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.