Genesis 34:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo olona ireo dia mipetraka tsara eto amintsika ka aoka honina eto amin’ny tany sy hivarotra eto izy; fa indro ny tany dia malalaka eo anoloany! Halaintsika ho vady ny zanany vavy ary ny zanatsika vavy kosa dia homentsika azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Olona tia fihavanana ireto olona eto amintsika ireto, ka aoka izy honina amin’ny tany, sy hanao varotra eto, fa malalaka ny tany, na ankavanana na ankavia, ka omby azy. Dia ny zanany vavy halaintsika ho vady; ny zanatsika vavy kosa homentsika ho azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mampiseho fihavanana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy honina eto amin’ny faritany sady hivarotra; fa mivoha malalaka ho azy ireo ny tany eo anoloany. Amin’izay dia hahazo manambady ireo tovovaviny isika, ary ny antsika kosa ho vadiny.
Malagasy Bible 1865
Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo olona ireo dia mipetraka tsara eto amintsika ka aoka honina eto amin’ny tany sy hivarotra eto izy; fa indro ny tany dia malalaka eo anoloany! Halaintsika ho vady ny zanany vavy ary ny zanatsika vavy kosa dia homentsika azy.
malagasy