Genesis 34:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanaiky ny tenin’i Hamora sy i Sekema zanany izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany. Noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Neken’izay rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna ny tenin’i Hemora sy i Sikema zanany, ka dia noforàna ny lehilahy rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy nanaiky ny soso-kevitr’i Hamôra sy i Sekema ny olona rehetra teo am-bavahady, koa noforàna avokoa ny lehilahy rehetra tao an-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanaiky ny tenin’i Hamora sy i Sekema zanany izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany. Noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany.
malagasy
Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.