Genesis 34:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tamin’ny andro fahatelo, rehefa ilay nanaintaina mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy i Levy, anadahin’i Dina, ka niakatra mora tao an-tanàna dia namono ny lehilahy rehetra tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny andro fahatelo, raha ilay narary iny izy ireo, dia samy naka ny sabany avy ny zanak’i Jakôba roalahy, i Simeôna sy i Levỳ, anadahin’i Dinà, ka niakatra tsy aman-tahotra tao an-tanàna, namono ny lehilahy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro fahatelo taorian’izany, raha mbola nararim-pery mafy iny ireo lehilahy ireo, dia nandray sabatra ny zanakalahin’i Jakôba, dia i Simehôna sy i Levỳ anadahin’i Dinà, ka niditra an-tsokosoko tao an-tanàna, ary nandringana ny lehilahy rehetra tao;
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tamin’ny andro fahatelo, rehefa ilay nanaintaina mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy i Levy, anadahin’i Dina, ka niakatra mora tao an-tanàna dia namono ny lehilahy rehetra tao.
malagasy