Genesis 34:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy i Levy: Nahatonga loza amiko ianareo, fa nomaimboinareo eto amin’ny mponina amin’ny tany aho, dia amin’ny Kananita sy ny Perizita. Olom-bitsy anefa aho, koa hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; ary ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy kosa i Jakôba tamin’i Simeôna sy i Levỳ: «Nampanahirana ahy ianareo, fa nomaimboinareo amin’ny tany ama-monina aho, dia amin’ny Kananeanina sy amin’ny Ferezeanina. Izaho dia olom-bitsy ka hikambana izy hamely ahy, ka hovonoiny aho, dia ho fongotra aho sy ny ankohonako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jakôba tamin’i Simehôna sy i Levỳ: –Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin’ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy i Levy: Nahatonga loza amiko ianareo, fa nomaimboinareo eto amin’ny mponina amin’ny tany aho, dia amin’ny Kananita sy ny Perizita. Olom-bitsy anefa aho, koa hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; ary ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
malagasy
Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?