Genesis 34:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ren’i Jakoba fa nandoto an’i Dina zanany vavy izy; nefa mbola niandry ny omby aman’ondriny tany an-tsaha ireo zanany lahy, dia nangina aloha i Jakoba mandra-pahatongan’izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa ren’i Jakôba ihany ny nandotoany an’i Dinà zanany vavy, nefa mbola tany an-tsaha tamin’ny biby fiompiny ny zanany lahy, ka dia nangina izy aloha mandra-pahatongan’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ren’i Jakôba fa nolotoin’i Sekema i Dinà zanany vavy, kanefa tany an-tsaha niandry ny biby fiompy ireo zanany lahy, koa tsy nanao na inona na inona izy ambara-pahatongan’ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ren’i Jakoba fa nandoto an’i Dina zanany vavy izy; nefa mbola niandry ny omby aman’ondriny tany an-tsaha ireo zanany lahy, dia nangina aloha i Jakoba mandra-pahatongan’izy ireo.
malagasy
Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.