Genesis 35:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; manorena alitara any ho an’Andriamanitra izay niseho taminao, fony ianao nandositra an’i Esao rahalahinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: «Andeha ianao miakatra an’i Betela ka monena any, manangàna ôtely any, ho an’ilay Andriamanitra niseho taminao, fony ianao nandositra teo anoloan’i Esao, rahalahinao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: –Miaingà, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an’ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an’i Hesao rahalahinao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; manorena alitara any ho an’Andriamanitra izay niseho taminao, fony ianao nandositra an’i Esao rahalahinao.
malagasy
[Ny nankanesan'i Jakoba tany Betela, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy indray] Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.