Genesis 35:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanorina tsangambato teo amin’io toerana izay niresahany Taminy io i Jakoba ka nandraraka fanatitra aidina teo aminy sady nandraraka diloilo teo aminy koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Jakôba nanorina tsangam-bato teo amin’ilay fitoerana niresahany taminy, ka nandraraka fanatitra araraka teo amboniny, sy nandrotsaka diloilo teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jakôba kosa nanorina tsangambato teo ka nanoso-menaka ilay tsangambato sy nandraraka divay teo amboniny.
Malagasy Bible 1865
Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanorina tsangambato teo amin’io toerana izay niresahany Taminy io i Jakoba ka nandraraka fanatitra aidina teo aminy sady nandraraka diloilo teo aminy koa.
malagasy
Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.