Genesis 35:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nonina teo amin’izany tany izany Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Bila, vady tsindranon’ny rainy; ary ren’Israely izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;
Malagasy Bible 1865
Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nonina teo amin’izany tany izany Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Bila, vady tsindranon’ny rainy; ary ren’Israely izany.
malagasy
Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.