Genesis 35:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natolony an’i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny ka nalevin’i Jakoba teo am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’i Sekema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia natolotr’izy ireo an’i Jakôba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tanany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natolony an’i Jakôba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin’ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototr’ilay hazo midoroboka tao akaikin’i Sekema.
Malagasy Bible 1865
Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natolony an’i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny ka nalevin’i Jakoba teo am-pototry ny hazo terebinta* izay tao akaikin’i Sekema.
malagasy
Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.