Genesis 35:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary maty i Debora, mpitaiza an’i Rebeka, dia naleviny tao akaikin’i Betela, teo ambanin’ny hazo oaka iray; nataony hoe Alona-Bakota ny anaran’io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary maty i Debôrà, mpitaiza an-dRebekà, ka naleviny teo ambanin’i Betela am-pototry ny oaka anankiray izay nomena anarana hoe: Oakan-dranomaso.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary maty i Debôrà, izay nitaiza an’i Rebekà, ka nalevina teo akaikin’i Betela, teo am-pototry ny hazo ôaka izay nantsoina hoe «Hazo ôaka fitomaniana» nanomboka hatreo.
Malagasy Bible 1865
Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary maty i Debora, mpitaiza an’i Rebeka, dia naleviny tao akaikin’i Betela, teo ambanin’ny hazo oaka iray; nataony hoe Alona-Bakota ny anaran’io.
malagasy
Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.