Genesis 36:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony maty i Hosama dia nanjaka nandimby azy i Hadada, zanak’i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ny tany Moaba; Avita no anaran’ny tanànany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maty i Hosama, ary nanjaka nandimby azy i Adada, zanak’i Badada, ilay nandresy an’i Madianina, tany amin’ny tanin’i Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa maty i Hosama, dia nanjaka nandimby azy i Hadada, zanakalahin’i Bedada, avy ao an-tanànan’i Havita. Izy io no nandresy ny Midianita teny an-tsahan’i Môaba.
Malagasy Bible 1865
Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony maty i Hosama dia nanjaka nandimby azy i Hadada, zanak’i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ny tany Moaba; Avita no anaran’ny tanànany.
malagasy
Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.