Genesis 36:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ny olona rehetra tao an-tranony, ny omby aman’ondriny sy ny biby fiompiny rehetra mbamin’ny fananany rehetra izay nohariny tany amin’ny tany Kanana ka lasa nankany amin’ny tany lavitra an’i Jakoba rahalahiny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy ny olona rehetra teo an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny rehetra, mbamin’ny fananany rehetra noharîny tany Kanaana, ka lasa izy nankany amin’ny tany anankiray lavitra an’i Jakôba rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nentin’i Hesao ireo vadiny sy ireo zanany lahy sy vavy ary ireo olona rehetra tao an-tranony, mbamin’ny biby fiompiny sy ny biby rehetra mpitondra ny entany; ary nentiny koa ireo fananana rehetra izay azony tao amin’ny tany Kanahàna, dia lasa nankany an-tany hafa izy mba ho lavitra an’i Jakôba rahalahiny.
Malagasy Bible 1865
Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ny olona rehetra tao an-tranony, ny omby aman’ondriny sy ny biby fiompiny rehetra mbamin’ny fananany rehetra izay nohariny tany amin’ny tany Kanana ka lasa nankany amin’ny tany lavitra an’i Jakoba rahalahiny izy.
malagasy