Genesis 36:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samy be loatra mantsy ny haren’izy mirahalahy ka tsy nahazo niara-monina izy; tsy omby azy ny tany fivahinianany, noho ny omby aman’ondriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa efa samy be loatra ny haren’izy ireo ka tsy nahazo niara-monina intsony izy, fa tsy omby azy ireo intsony ny tany nonenany, noho ny biby fiompiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria efa samy be harena loatra izy mirahalahy ka tsy afaka ny hiara-monina intsony; ary ny faritany nisy azy dia tsy ampy hihinanan’ny biby fiompin’ny roa tonta.
Malagasy Bible 1865
Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Samy be loatra mantsy ny haren’izy mirahalahy ka tsy nahazo niara-monina izy; tsy omby azy ny tany fivahinianany, noho ny omby aman’ondriny.
malagasy
Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.