Genesis 37:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny rainy taminy: Miangavy anao aho, andeha zahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’osy, na manao ahoana, dia miverena hilaza amiko. Dia nalefany avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrona izy ka nankany Sekema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy indray i Jakôba hoe: –Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian’ondry aman’osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao. Avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrôna i Jôsefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin’i Sekema izy,
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny rainy taminy: Miangavy anao aho, andeha zahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’osy, na manao ahoana, dia miverena hilaza amiko. Dia nalefany avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrona izy ka nankany Sekema.
malagasy