Genesis 37:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no taranak’i Jakoba. Rehefa fito amby folo taona i Josefa dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy; izy moa dia zaza niaraka tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy. Ary i Josefa dia mpitati-bolana tamin’ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no tantaran’i Jakôba. Rahefa fito ambin’ny folo taona i Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny. Noho izy mbola zaza, tafaraka tamin’ireo zanak’i Bala sy tamin’ireo zanak’i Zelfah vadin-drainy; nanambara tamin-drainy ny tati-bolan-dratsy momba azy ireo i Josefa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izao no tantaran’ny ankohonan’i Jakôba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Jôsefa, dia niandry ondry niaraka tamin’ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilehà sy i Zilpà, vadikelin-drainy. Ary taterin’i Jôsefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no taranak’i Jakoba. Rehefa fito amby folo taona i Josefa dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy; izy moa dia zaza niaraka tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy. Ary i Josefa dia mpitati-bolana tamin’ny rainy.
malagasy