Genesis 37:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa i Robena tamin’izy ireo: Aoka tsy handatsa-dra ianareo; fa atsipazo ao anatin’io lava-drano etỳ an-tany efitra io izy fa aza misy mikasi-tanana azy ianareo. Izany no nolazainy mba hamonjeny an’i Josefa amin’ny tanan’ny rahalahiny ka hamerenany azy any amin’ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sady mbola nampian’i Reobena hoe: –Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin’io lavaka atỳ an-taniefitra io fotsiny. Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin’ny rainy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa i Robena tamin’izy ireo: Aoka tsy handatsa-dra ianareo; fa atsipazo ao anatin’io lava-drano etỳ an-tany efitra io izy fa aza misy mikasi-tanana azy ianareo. Izany no nolazainy mba hamonjeny an’i Josefa amin’ny tanan’ny rahalahiny ka hamerenany azy any amin’ny rainy.
malagasy