Genesis 37:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nipetraka nisakafo izy ireo. Fa raha sendra nanopy ny masony izy ireo dia nahatazana fa indreo, nisy Ismaelita niara-dia avy tany Gileada ka nitondra ditin-kazo ny ramevany, dia nekota sy balisama ary lota izay noentiny hidina ho any Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary dia nipetraka nihinana izy ireo. Nony natopiny ny masony, dia hitany fa indreny nisy Ismaelita niray dia avy any Galaada; ary ny entana nentin’ny ramevany dia astragala, ditin-kazo manitra, mbamin’ny ladanôma, ndeha havariny any Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.
Malagasy Bible 1865
Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nipetraka nisakafo izy ireo. Fa raha sendra nanopy ny masony izy ireo dia nahatazana fa indreo, nisy Ismaelita niara-dia avy tany Gileada ka nitondra ditin-kazo ny ramevany, dia nekota sy balisama ary lota izay noentiny hidina ho any Ejipta.
malagasy