Genesis 37:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia avy ny zanany lahy rehetra sy ny zanany vavy rehetra mba hampionona azy nefa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy: Tsia, fa hidina hisaona any amin’ny zanako any amin’ny fitoeran’ny maty aho. Dia mbola nitomany azy foana ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny maty aho.» Ary nitomany azy, ity rainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga nampionona azy avokoa na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy; kanefa tsy nety nionona izy, fa nanao hoe: «Mbola hisaona aho no hidina hihaona amin-janako any amin’ny toeran’ny maty.» Koa mbola nitomany an-janany ihany izy.
Malagasy Bible 1865
Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia avy ny zanany lahy rehetra sy ny zanany vavy rehetra mba hampionona azy nefa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy: Tsia, fa hidina hisaona any amin’ny zanako any amin’ny fitoeran’ny maty* aho. Dia mbola nitomany azy foana ny rainy.
malagasy
Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.