Genesis 37:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny rahalahiny fa i Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy dia nankahala azy izy ireo ka tsy afaka nilaza teny tsara taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny rahalahiny fa i Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy dia nankahala azy izy ireo ka tsy afaka nilaza teny tsara taminy.
malagasy
Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.