Genesis 37:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny rahalahiny taminy: Moa va izany hanjaka aminay tokoa ianao? Sa hanapaka aminay tokoa ianao? Vao mainka nankahalan’izy ireo azy izany nofiny sy teniny izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ireo rahalahiny taminy: «Dia hanjaka aminay ve ianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e?» Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ireo rahalahiny taminy: –Dia hanjaka aminay sy hifehy anay tokoa ve ianao? Vao mainka niampy izaitsizy ny fankahalàny azy noho ireo nofiny sy ny fitantàrany azy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny rahalahiny taminy: Moa va izany hanjaka aminay tokoa ianao? Sa hanapaka aminay tokoa ianao? Vao mainka nankahalan’izy ireo azy izany nofiny sy teniny izany.
malagasy
Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.